Mireille Madagascar, Fanoloran-tena

Découvrir le nouveau player
MireilleMadagascar
7
1 244 vues
  • Infos
  • Exporter
  • Ajouter à
  • Playlists
Nöel 2008, evangelisation à Imeritsiatosika aevec "les semeurs"

2 commentaires

Tsy lefy laza! misaotra e!
Par rondrogasy il y a 5 ans
Fanoloran-tena (Mireille)
☆☆☆☆☆

Nandalo ny fahazazana teny aho
Nandalo ny hatanorana teny aho
Nankamamy ity fiainana aho
Nifaly sy nilalao
Ny anaranao ry Raiko, no tsy mba fiantsoko
Anio aho dia hanandrana ny hiaraka Aminao.

Vizana aho miandrandra vintana
Vizana aho mitady izay harena
Vizana aho miandrandra famonjena
Fa zava-poana ihany, ny herim-poko lany
Tsy azo izay niriana, zao manantena fifaliana.

Hianao no faniriako, inty aho
Hianao no fifaliako, inty aho
Hianao no fanovozana ny soa
Fitiavana ô, tsy manam-paharoa
Sambatra izay mahita ilay fitia tsy mety ritra
Arovinao ny dia ho ao Aminao mandrakizay
Jesô Kristy.. arovinao ny dia ho ao Aminao mandrakizay.
Par ♫ndr♫in♫ il y a 6 ans