Advertising Console

    Aloky ny ota - VHF

    Reposter
    AmiUniKool

    par AmiUniKool

    191
    1 656 vues

    1 commentaire

    Lalatiana Ramamonjisoa
    Ray ô!inona moa no mbola ahavelomako
    Raha Ianao no tsy amimndra fo
    Asa loatra izay anjo
    Ny fiainako rehetra feno aizina avokoa
    Feno ditra, herisetra
    Na matory na mifoha
    Ray ô!,Ray ô!
    Ny fitritran'ity foko
    Dia Aminao no hitalahoako
    Ray ô!Ray ô!Diso Taminao 'zahay
    Ka Mamindra fo aminay
    Ny aloky ny ota
    No manamaizina ity andro
    Ka drodroka sy rota
    Ny fiainako isan'andro
    Torotorom-pahotana
    Tamin-ditra sy adalàna
    Ka nandik'ireo lalàna
    Tamin-didy norarana
    Ray o!Ray ô!ny vatako sisa mijoro
    Fa ny fanahiko efa mikoro
    Ray ô!Ray ô!fanahy mila famonjena
    Fa rotoky ny fahalemena
    Anatonako Anao
    Zao tonombavako izao
    ô! ry Ray raha sitrakao
    Inty aza lavinao
    Fenofeno zany foko
    Na ny hirako aza mitoloko
    Miantso Anao ry Fanahy
    Mba hitondra hery ho ahy
    Par Lalatiana RamamonjisoaIl y a 7 ans