Groupe Laurent Rakotomamonjy - Hazo fijaliana
  • il y a 15 ans
Matio 26:39 - Ary NONY NANDROSO KELIKELY IZY, DIA NIANKOHOKA KA NIVAVAKA HOE: RAIKO Ô, RAHA AZO ATAO, DIA AOKA HESORINA AMIKO ITY KAPOAKA ITY; NEFA AOKA TSY NY SITRAPOKO ANIE NO HATAO, FA NY ANAO. Salamo 16:5 - JEHOVAH NO ANJARA LOVAKO SY KAPOAKAKO; HIANAO NO MAMPAHARITRA NY ANJARAKO.

Hazo fijaliana : GLR

Esory amiko ry Raiko,
‘ty hazo fijaliana anjara ho zakaiko
Fandrao hanala ny aiko sisa efa fa maty vao ho ritra
Esory amiko ry Raiko

Esory amiko ry Jesô tia
Tsy zakan’ny hery hananako ity
Mba mitalaho aho aza ratraina Alao ity hanafaka aina
Esory amiko ry Jesô tia

Nefa aoka tsia ho ny sitra-poko
No ho tanteraka fa ny Anao
Aloe ho tsoriko eto fa tsy foiko
Sy mamiko ny miaraka Aminao

Ampaherezo aho, mba hijoro toa Anao
Hahay hitondra ‘zay anjarako
Ny ota anatiko ao, tsy miafina Aminao
Izany ndrindra no mampitaraina mafy aho toy zao
Fa ny hazo fijaliana mba natao ho fidina
Fa samy manana ny anjarany
Atoroy aho koa f’Ianao aza Jesoa
Nitondra mafy sy mafaitra
Lavitra noho izao taloha

Esory amiko ry Raiko
‘Ty halemena tsy hazakaiko ny hazo fijaliko
Fa mandrampialam-pofonaiko
De tsy maintsy ho zakaiko
Izay voatendry ho ANJARAKO