R. Rasolondraibe - TSY MAINTSY

  • il y a 15 ans
Genesisy 28:21 – http://www.baiboly.org/

Tsy maintsy (Rija Rasolondraibe)

Fiv :
Tsy maintsy ho an-tranon’ny Raiko aho
Fa efa lasa tanteraka any ho aho ny saiko
Fa aloky ny ho avy ny ety an-tany
Fa ny tena izy efa miandry antsika
Any an-danitra any

Izy tsy amidy fa omena
Maimaim-poana ny famonjena eee
Tsy ho lavo, tsy ho tafintohina ianao
Handeha any am-parany any
F’izay mijoro ihany no antsoiny
Handeha ho any an-danitra any
Ny marina hisikinana ny tena fahamarinana
Tano ny sabatra roa lela
Tano mafy fa aza avela

Fiv…

Mbola maro no antsoina ho ao am-bala
Mahalala nefa misalasala
Tsy hatory tsy ho rendremana ianao
Hiambina ny tanana
Feno fandriam-pahalemana ianao
Hitondra ny fahazavana
Ho sakaizan’ny Tompo, ny finoana fihino
Tano ny sabatra roa lela
Tano mafy fa aza avela