Salomon - Hary elatra

  • il y a 16 ans
Hary elatra (Naly Rakotofiringa)

Hary elatra hianao ka handao
Hanaraka 'lay nofinidy tena sarobidy
Tsy iza izany fa 'lay vady tiana
'Lay nofinofy kanjo tanteraka ankehitriny

Hary elatra hianao hisidina ambony
Hisakambina, hifampitantana amin'ilay tiana
Paradisa ny tany hoy ny saina
Marina izany kanefa koa ndeha holazaina :

Maro no mitady hamingana
Mitady handrava ny fanambadiana
Maro ny fakam-panahy misarika
Hanatona an-drafahoriana
Eo indrindra no ilàna
Ny fandaozana an-drafahazazana
Saina matotra sy tony, fo natolotra ny fony
Olon-droa efa iray mandrakizay

N'inona misakan-dalàna
Mitady handrava ka hamaha ny tady
Ampiasao ny fitiavana
Sy ny fifampahatokisan'ny mpivady
TANDREMONAO MISOTASOTA
TEZERA NEFA AZA MANOTA
Raha sendra resy izy ampio
Tsarovy f'io fitiavana io
Dia mandra-maty sy voadinareo mivady