BOBONGOLO ILAY FITIA HENRI RATSIMBAZAFY
Henri RATSIMBAZAFY
BOBONGOLO ILAY FITIA
Voatahiry ela loatra
tao am-poko ilay fitia
ka tsy afaka nanoatra
fa nihiboka doria.
Voarakotry ny ela
ka lomorona satria
tsisy rivotra tavela
bobongolo ilay fitia !
Fony aho mbola tia
dia niangavy anao hatrany
nefa ianao dia ninia
tsy ahafantatra izany.
Gaga aho ankehitriny
raha nanjary hoe tianao.
aoka anefa ialako tsiny
diso aoriana loatra ianao !
Voatahiry ela loatra
tao am-poko ilay fitia
ka tsy afaka nanoatra
fa nihiboka doria.
Voarakotry ny ela
ka lomorona satria
tsisy rivotra tavela
bobongolo ilay fitia !
Toy ny afo ny fitia
ka mirehitra ao anaty,
raha voasorona izy dia
velona tsy mety maty.
Ny ahy kosa ho'aho re roy
tsisy mba nikarakara,
hany izy ka nafoy,
nangatsiaka toa antara.
Voatahiry ela loatra
tao am-poko ilay fitia
ka tsy afaka nanoatra
fa nihiboka doria.
Voarakotry ny ela
ka lomorona satria
tsisy rivotra tavela
bobongolo ilay fitia !
HIRA GASY MALAGASY
BOBONGOLO ILAY FITIA
Voatahiry ela loatra
tao am-poko ilay fitia
ka tsy afaka nanoatra
fa nihiboka doria.
Voarakotry ny ela
ka lomorona satria
tsisy rivotra tavela
bobongolo ilay fitia !
Fony aho mbola tia
dia niangavy anao hatrany
nefa ianao dia ninia
tsy ahafantatra izany.
Gaga aho ankehitriny
raha nanjary hoe tianao.
aoka anefa ialako tsiny
diso aoriana loatra ianao !
Voatahiry ela loatra
tao am-poko ilay fitia
ka tsy afaka nanoatra
fa nihiboka doria.
Voarakotry ny ela
ka lomorona satria
tsisy rivotra tavela
bobongolo ilay fitia !
Toy ny afo ny fitia
ka mirehitra ao anaty,
raha voasorona izy dia
velona tsy mety maty.
Ny ahy kosa ho'aho re roy
tsisy mba nikarakara,
hany izy ka nafoy,
nangatsiaka toa antara.
Voatahiry ela loatra
tao am-poko ilay fitia
ka tsy afaka nanoatra
fa nihiboka doria.
Voarakotry ny ela
ka lomorona satria
tsisy rivotra tavela
bobongolo ilay fitia !
HIRA GASY MALAGASY

1 comments