Advertising Console

    Henri Ratsimbazafy - Anao no nindramiko

    Repost
    ♫ndr♫in♫

    par ♫ndr♫in♫

    104
    4 014 vues
    Anao no nindramiko : H. Rantsimbazafy

    Ny fiainako manontolo
    Hatramin’ny elabe,
    Dia narindranao daholo
    Na taiza no naleha,
    Ka ny hany holazaiko,
    Ny azoko hatao
    Dia izay takatry ny saiko
    No isaorako Anao

    Ref :
    Fa na talenta, na fahaizana, na saina,
    Sy izay rehetra nentiko ho nampiasaina,
    Dia voninahitrao, na dia toa kilalao
    Fa tsy misy na iray aza avy amiko
    Fa anao ireny no nindramiko

    Ny tongotro aman-tanako,
    Ny feo, ny maso koa,
    Izay lazaiko hoe fananako
    Dia avy aminao avokoa.
    Ka n’inon’inona lazaiko
    N’inon’inona hatao
    Dia tsy vokatry ny saiko
    Fa fanomezana avy Aminao. .

    ’Zay rehetra nomenao ahy
    Na ny saina, na ny fo,
    Na ny tena, na ny fanahy
    Hamasino avokoa
    Mba oneno re ny foko
    Tena ho tempolinao
    Ary dia Ianao no antsoiko
    N’inon’inona atao

    Dia iriko mba hitohy
    ’Zany fitahiana izany
    Na ho lava na ho fohy
    Ny androm-piainako eto an-tany
    Mba omeo ahy ny hery
    Sy ny toky avy Aminao
    Fa raha izay izaho irery
    Tsy hahatontosa izay hatao.