Eric Manana -Afindrafindrao

Découvrir le nouveau player
jefra

par jefra

202
28 603 vues
  • Infos
  • Exporter
  • Ajouter à
  • Playlists
Roy e roy e roy e ry lahy!
Midola tsy ketra'ketrak'ila
Midola tsy amin-tsavony mavo rajo
Midola mitongom-baky "mauvais"
Mitari-pasika mody ka tsy tiako
Lazondazom-boakanzo nankalao
Lazondazom-pitia nanadala
Tiavo ny havanao Ramatoa
F'izaho aza ariana sombiniaiko
ieh! Azy ny azy e!
Eny veloma ihany 'zany havako
'zany eny veloma!

Eny ekeko fa marina izany
Raha ianao peratra
Izaho ratsan-tanana
Ianao no endriko
Izaho bikanao sombiniaiko
Aza dia miavonavona ry kala
Aza dia tsy miteny ho'aho ianareo
Raha tsy tianareo anie aho
Atero eny antsasa-dalana aho mba hody
Eh! Azy ny azy e!
Eny veloma ihany 'zany havako
'zany eny veloma!

Eny ekeko fa marina izany
Tavohangy raha mihilana
Tohanako lantinoara
Ise kely raha mihilana
Tohanako latin-tsandry moramora
Eh! Azy ny azy e!
Eny veloma ihany 'zany havako
'zany eny veloma!

Eny ekeko fa marina izany
Tranonay sy malala
Manao atsimo sy avaratra
sioka tokana dia mivoaka
Kopa-damba dia lasa "rendez-vous"
Ondaondano kely anie aho ry patro
Fa marary ny an-dohako
Fa naninona no narary ?
Tsy niala vazo-boana ka narary e !
Eh! Azy ny azy e!
Eny veloma ihany 'zany havako
'zany eny veloma!

Eny veloma masina ny aty
Teny Antananarivo izahay
Arivo tratry ny taona
Tetsy Ambatonakanga izahay
Nahazo akanga nivady o!
Ary teny Ambohimanga izahay
Namangy an' Ikaky sy Neny
Itondray tamotamo aho hotamotamoko
Itondray sakarivo aho hirivorivoko
Paraky mahery izahay re
Ka tsy hohanin' olon-jejo.

Razilnah

16 commentaires

Izao ahay mba tena afindrafindrao ! Misaotra ny mandefa de mampirisika ny hafa hizara sy hanaparitaka ny tena izy.
Par Harilanto Ranaivomanantsoa il y a 4 ans
' Huhu Merci pour la video;)
Par chisexeieax il y a 4 ans
Tinay be daholo ny hira rehetra nalefanao Rajefra,misaotra betsaka anao.
Par ANDRIAN il y a 5 ans
merci :)))) mahatsiaro an'i Iarivo aho izany!!!!!!!!!
Par blue94380 il y a 6 ans
tena manja e! misaotra fa tena milay
Par manjaka il y a 6 ans
Voir plus de commentaires