Tif a Tif, mankalaza ny faha-15 taona

  • il y a 9 ans
Hiaka-tsehatra ao Antsahamanitra ny tarika Tif a Tif ny alahady 22 martsa ho avy izao. Hetsika izay tafiditra indrindra ao anatin'ny fankalazana ny faha-15 taona ny tarika. Hisy ny hira vaovao ho ventsoina, ary tsy manalavitra ny gadona nahafantarana ny tarika Tif a Tif hatrizay ny ho heno.

I Micky, Jessy sy Chriscy, mpikambana ao amin'ny tarika, dia mampanantena fa ho hafa kely ny hetsika amin'ity indray mitoraka. Hisy ny seho an-tsehatra miavaka.