REBIKA - Iny zanako iny

Découvrir le nouveau player
Razanampano
127
3 106 vues
  • Infos
  • Exporter
  • Ajouter à
  • Playlists
Il n'y a pas encore de description.

2 commentaires

Raha mbola misy manana REBIKA dia mba alefaso eto daholo fa tsy mety leo mihintsy ny aty .
Par rasoulou il y a 7 ans
maloka maraina ,iny vody lanitra iny
fa voasingotr'aina mantsy ilay tsy manan-tsiny
'lay vao nianatra namindra
nampianarina hiteny
'lay tsy foin'ny dada indrindra
any kilalaon'ny neny
mafaitra loatra sy mikitroka tanteraka
nanjary onena ity fo niteraka
tsy zaka hatelina
masiaka lotra ianao ry tany
nefa tsisy afa-tsy mbola lasanao ihany

fa maninona ny malalako 'lay tsy foin'ny tanako
toa tsy reko intsony ny fitempon'ny fonao
fa maninona ny malalako 'lay tokana an-tanako
dia tsy andre intsony ny firadaradanao

mirediredy toa adala
tsisy farany
hoe ny zanako zanako
zanako tiako izy iny
ry raiko ao ambony ô!
aza omenan-tsinao aho
fa ny fo sy saina mihintsiny
no tsy mety mino

fa iny volan'iny oa
toa mihangatra
ny fahavelomana hay nofy tsy fantatra
'lay bika soa fahiny
no lasa vovo nibalika
ka nihevitra fa dry no solo vato mangatsiaka

fa maninona oa ny malalako ...
Par Sabrina103 il y a 7 ans