List options
Export
Player mode on | off
Grid
List
Anaka - Malagasy Father's Love Letter
Anaka Tsy fantatrao angamba Aho, anefa Izaho dia mahalala tsara anao Salamo 139:1 Fantatro ny fipetrakao sy ny fitsanganao Salamo 139:2 Fantatro tsara ny halehanao rehetra Salamo 139:3 Na ny volon-dohanao aza dia voaisako avokoa Matio 10:29-31 Satria nahariko tahaka ny endriko ianao Genesisy 1:27 Eo amiko no hivelomanao sy hihetsehanao ary hiainanao Asan'ny Apostoly 17:28 Satria terako hianao Asan'ny Apostoly 17:28 Fantatro ianao fony ianao tsy mbola noforoniko Jeremia 1:4-5 Notendreko ianao mba hofiderana ny voninahitro Efesiana 1:11-12 Tsy zava poana ianao, fa ny andro voatendry ho anao dia voasoratra eo amin'ny bokiko Salamo 139:15-16 Notendreko ny fotoan'andro hivelomanao sy ny faritry ny fonenanao Asan'ny Apostoly 17:26 Mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovako anao Salamo 139:14 Izaho no namolavola anao tao an-kibon-dreninao Salamo 139:13
Hay teo foana i Kristy - Jocelyn Ranjarison
Hoy Jesosy: "Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka." Lioka 5:32 "Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany" Jaona 1:12 Fatra-pitady hafaliana Taloha aho, tamin-java-boarara Ka ny tsiniako ireo loza, mpahazo ahy Tety an-tany Niraiki-po tamin'ny tany aho Mandram-pianjerako nitsirara Tamin'io indrindra anefa No niantso ahy Ilay mpiandry tsara. ref: Hay teo foana i Kristy (x2) Niandry ahy izay nania Hay teo foana i Kristy. Tsy hita intsony ireo rendrarendra Izay namitaka ahy Haiko izao ny làlan-tsara Ka hizotra aho tsy amin\\'ahiahy Ny fiainako isan\\'andro Miarak'Aminy dia mamy éry O! Indrisy raha fantatro Tsy nampiandrasiko mihitsy i Kristy. Hay teo foana i Kristy (x2) Niandry ahy izay nania Hay teo foana i Kristy.
Tsara ny mihira - Antsapraise & Antsa an'i Kristy feat Marcel Boungou
Clip Officiel de "Tsara ny Mihira" - Réalisé par NKDM Extrait de l'album "Ny Fitiavako Anao" - Antsapraise 2010