List options
Export
Player mode on | off
Grid
List
Mpanjono mody - Ny Railovy - Hira malagasy
Hira malagasyLasa ny masoandroMody ny mpanjonoValaka sy trotraka,Maizina ny androMangina ny tontoloSisa hita kintana.Manjohy mirefarefaManara-dohasahaNy taratra miantefaMamohafoha fanahy,Mitsinjo ny to todyIreo mpanjono mody.Faingàna,faingànaFa miandry anaoIlay tiana, mangina ato an-trano,Faingàna, aza ela, modia ianaoFa efa hariva ny andro.NY RAILOVYHira gasy
ENTRE GASY QUESTIONS POUR UN CHAMPION 2EME ETAPE
Questions pour un champion entre gasy sur FR3 le 13 mars 2009
ENTRE GASY - QUESTIONS POUR UN CHAMPION 1ERE ETAPE
Question pour un champion entre 4 gasy sur FR3 le 13 mars 2009
QUESTIONS POUR UN CHAMPION MALAGASY - 2ème étape
Le 16 mars 2009
QUESTIONS POUR UN CHAMPION GASY MALAGASY 1ERE ETAPE
QUESTIONS POUR UN CHAMPION DU16 MARS 2009
VOLANA ROMULE SY NY TARINY
Hira Malagasy izay henoiko matetika. Tsy tena haiko hoe iza avy ny miara-mihira amin'i Romule eto.
MIVALO AMINAO NAKA RABEMANANTSOA
Kalon'ny Malagasy n'Iarivo. MIVALO AMINAO Mivalo aminao anie aho ry Tany Henoinao kely ity fo mitomany I Neny malala efa lasa nankany I Dada tsy foy avelao eto ihany Dada ô ! Aiza ny làlana nombanareo Neny ! Mba homba anareo re no sitrako izao Aleoko maty manaraka anao Toy izay velom-poana mijaly toy izao Dada ô ! Mivalo aminao aho ry tany Neny ô ! Henoinao 'ty fo mitomany Fa mijaly aok'izany Naka RABEMANANTSOA
NY VOANIO BAZARY KELY
Hira malagasy tena nanana ny lazany.
NY MASO MIJERY KINTANA TELO GASY
Maso mijery Ny hita rehetra tsy mendrika ho vady Fa fomban'ny hendry no manadihady Kanefa na ho inona izay nokasaina Rehefa tsy anjara misaraka maina(x2) Adidin'ny tia no maniry ho tiana Izay no miteraka fanambadiana Ny saina mitovy, ny fo tafaray No mety hifanaraka mandrakizay Satria tsy mba fantatra ny ho rafozana Ka aleo re ny haja no hifanakalozana Arahabarabao ny mpandalo Fa aza ihomezana fandrao amin'ireny ny ho taolan-tehezana. KINTANA TELO MALAGASY Gabhy Romule Salomon hira gasy. http://site.voila.fr/rimois/1/romule_rabarivola.htm
BOBONGOLO ILAY FITIA HENRI RATSIMBAZAFY
Henri RATSIMBAZAFY BOBONGOLO ILAY FITIA Voatahiry ela loatra tao am-poko ilay fitia ka tsy afaka nanoatra fa nihiboka doria. Voarakotry ny ela ka lomorona satria tsisy rivotra tavela bobongolo ilay fitia ! Fony aho mbola tia dia niangavy anao hatrany nefa ianao dia ninia tsy ahafantatra izany. Gaga aho ankehitriny raha nanjary hoe tianao. aoka anefa ialako tsiny diso aoriana loatra ianao ! Voatahiry ela loatra tao am-poko ilay fitia ka tsy afaka nanoatra fa nihiboka doria. Voarakotry ny ela ka lomorona satria tsisy rivotra tavela bobongolo ilay fitia ! Toy ny afo ny fitia ka mirehitra ao anaty, raha voasorona izy dia velona tsy mety maty. Ny ahy kosa ho'aho re roy tsisy mba nikarakara, hany izy ka nafoy, nangatsiaka toa antara. Voatahiry ela loatra tao am-poko ilay fitia ka tsy afaka nanoatra fa nihiboka doria. Voarakotry ny ela ka lomorona satria tsisy rivotra tavela bobongolo ilay fitia ! HIRA GASY MALAGASY
NANDAO AN-TSIKA I ROMULE RABARIVOLA
Fahatsiarovana an'i ROMULE (KINTANA TELO) mpanakanto, mpihira nitandro ny kalo gasy omaly izay nodimandry ny alatsinainy 14 avril 2008 farany teo. http://www.dailymotion.com/video/x53v45_fahatsiarovana-ani-romule-fandahara_music http://www.dailymotion.com/video/x44n1b_kintana-telo-ny-hirandrazako-malaga_music http://site.voila.fr/rimois/1/romule_rabarivola.htm Kanefa nanana fikasàna izy ny hanao fampisehoana aty Frantsa amin'ny faran'ny volana mai 2008 ity, koa aoka iara-hiaiky isika F'IZAY NO FANDAHARANA. ROMULE RABARIVOLA KINTANA TELO