Nanana ny lazany
List options
Export
Player mode on | off
Grid
List
HIRA GASY TAIZA INDRAY IANAO
Hira gasy Henri Ratsimbazafy sy Voahirana
ODIAN-TSY HITA VE
Odian-tsy hita ve ny fiarahana niampita sy ny fiainana efa vita ! Henri RATSIMBAZAFY
"fa izato ianao" voahirana ratsimbazafy
Clip "Fa izato ianao" http://tresserve.chez-alice.fr/voahirana/index.html
"Veloma doria" voahirana & h ratsimbazafy
duo voahirana & henri ratsimbazafy http://tresserve.chez-alice.fr/voahirana/index.html
Ny Voanio - Satria
Ny voanio : Satria Matoa aho nitady anao satria… Tsaroako tanatiko tao, ilay foko nitempo fitia Hery tsy haiko resena, sento sy embona koa Ny atin’ny fo raha jerena dia tokana mba te ho roa Fiv : Nanavaka aho (x2) tamin’ny maro Nitady anao (x2) aiza ihany Saika tsy nahita aleha fa kanjo tazako ianao Ary tsapako tamin’zay fa tanteraka ny nofiko Matoa aho nifidy anao satria… ‘Lay endrika sy bikanao, de nambabo ‘lay foko efa tia Tsy fantatro ‘zay ao aoriana sy mety ho vokaty izao Ny foko dia feno hafaliana satria tiko ianao.
BOBONGOLO ILAY FITIA HENRI RATSIMBAZAFY
Henri RATSIMBAZAFY BOBONGOLO ILAY FITIA Voatahiry ela loatra tao am-poko ilay fitia ka tsy afaka nanoatra fa nihiboka doria. Voarakotry ny ela ka lomorona satria tsisy rivotra tavela bobongolo ilay fitia ! Fony aho mbola tia dia niangavy anao hatrany nefa ianao dia ninia tsy ahafantatra izany. Gaga aho ankehitriny raha nanjary hoe tianao. aoka anefa ialako tsiny diso aoriana loatra ianao ! Voatahiry ela loatra tao am-poko ilay fitia ka tsy afaka nanoatra fa nihiboka doria. Voarakotry ny ela ka lomorona satria tsisy rivotra tavela bobongolo ilay fitia ! Toy ny afo ny fitia ka mirehitra ao anaty, raha voasorona izy dia velona tsy mety maty. Ny ahy kosa ho'aho re roy tsisy mba nikarakara, hany izy ka nafoy, nangatsiaka toa antara. Voatahiry ela loatra tao am-poko ilay fitia ka tsy afaka nanoatra fa nihiboka doria. Voarakotry ny ela ka lomorona satria tsisy rivotra tavela bobongolo ilay fitia ! HIRA GASY MALAGASY
Henri Ratsimbazafy - Anao no nindramiko
Anao no nindramiko : H. Rantsimbazafy Ny fiainako manontolo Hatramin’ny elabe, Dia narindranao daholo Na taiza no naleha, Ka ny hany holazaiko, Ny azoko hatao Dia izay takatry ny saiko No isaorako Anao Ref : Fa na talenta, na fahaizana, na saina, Sy izay rehetra nentiko ho nampiasaina, Dia voninahitrao, na dia toa kilalao Fa tsy misy na iray aza avy amiko Fa anao ireny no nindramikoNy tongotro aman-tanako, Ny feo, ny maso koa, Izay lazaiko hoe fananako Dia avy aminao avokoa. Ka n’inon’inona lazaiko N’inon’inona hatao Dia tsy vokatry ny saiko Fa fanomezana avy Aminao. . ’Zay rehetra nomenao ahy Na ny saina, na ny fo, Na ny tena, na ny fanahy Hamasino avokoa Mba oneno re ny foko Tena ho tempolinao Ary dia Ianao no antsoiko N’inon’inona atao Dia iriko mba hitohy ’Zany fitahiana izany Na ho lava na ho fohy Ny androm-piainako eto an-tany Mba omeo ahy ny hery Sy ny toky avy Aminao Fa raha izay izaho irery Tsy hahatontosa izay hatao.
Henri Ratsimbazafy "Modia tsy hita ve"
"Modia tsy hita ve?"
FANDAHARANA HIRA GASY ROMULE
Eny, nodimandry ny alatsinainy 14 avril 2008 i Romule RABARIVOLA tarika KINTANA TELO. Mpanakanto gasy anisan'ny nitahiry sy nikolo ny kanto Malagasy izy, ary anisan'ny mpihira lehilahy Malagasy manga feo tokoa ny lehilahy. Raha ny fandalinako dia, 1 na 2 taona talohan'io andro nahafatesany ity oronan-tsary ity. 1980 - no niforonan'ny tarika KINTANA TELO (Gabhy - Romule - Salomon) Ny hira voalohany niarahan'izy ireo nihira dia ny hiran'i RAMAROSON Wilson ilay hira malaza hoe "NY MASO MIJERY", ny hirandrazana http://www.dailymotion.com/video/x44n1b_kintana-telo-ny-hirandrazako-malaga_music koa dia hira noforonon'i Romule sy ilay namany antsoina hoe Lala. 1986 sy 1988 nanamarika ny fahombiazan'ny tarika KINTANA TELO ny fivoahan'izy ireo tany Corée avaratra, satria ny tarika kintana telo no nahazo ny voalohany tamin'ny fifaninanana izay natao tany tamin'izany fotoana izany, ary dia voninahitra lehibe tokoa ho an'i Madagasikara izany indrindra ho an'ny tarika KINTANA TELO. Izy no nandao an-tsika fa ny feony kosa dia hanakoako sy handrotsirotsy an-tsika Malagasy mpiray tanindrazana. http://site.voila.fr/rimois/1/romule_rabarivola.htm