Kalon'iarivo
List options
Export
Player mode on | off
Grid
List
JOHARY MATOA E MANONJA
Hira Malagasy anisan'ny ankafizinay io.Matoa e manonja ity moron'ny rano !Mazotoa mijery.
MIVALO AMINAO NAKA RABEMANANTSOA
Kalon'ny Malagasy n'Iarivo. MIVALO AMINAO Mivalo aminao anie aho ry Tany Henoinao kely ity fo mitomany I Neny malala efa lasa nankany I Dada tsy foy avelao eto ihany Dada ô ! Aiza ny làlana nombanareo Neny ! Mba homba anareo re no sitrako izao Aleoko maty manaraka anao Toy izay velom-poana mijaly toy izao Dada ô ! Mivalo aminao aho ry tany Neny ô ! Henoinao 'ty fo mitomany Fa mijaly aok'izany Naka RABEMANANTSOA
SOLIKA - TSY MBA MISY TSY HO DISO
Tena hiainan'ilay mpitendry mihitsy ilay hira, sady miaky azy koa aho amin'ny fitendrena Piano ! Hiran'i Solika - TSY MBA MISY TSY HO DISO
JOHARY ANDAO ANAO NY TENAKO
Andao anao ny tenako kanefa kosa ny saiko any aminao. Hira Gasy
Mpanjono mody - Ny Railovy - Hira malagasy
Hira malagasyLasa ny masoandroMody ny mpanjonoValaka sy trotraka,Maizina ny androMangina ny tontoloSisa hita kintana.Manjohy mirefarefaManara-dohasahaNy taratra miantefaMamohafoha fanahy,Mitsinjo ny to todyIreo mpanjono mody.Faingàna,faingànaFa miandry anaoIlay tiana, mangina ato an-trano,Faingàna, aza ela, modia ianaoFa efa hariva ny andro.NY RAILOVYHira gasy
VOLANA HIRA GASY ANISAN'NY TSARA
Hira gasy anisan'ny tsara ankafiziko ity hira ity.
Lilie & Sitraka - Ny vady (Naly RAKOTOFIRINGA)
Ny vady (Naly RAKOTOFIRINGA)Inona ary moa ny vady ô ry lahy ?Fo sy aina, sombinaina sy fanahyNy vady tiana, fifalianaAkaiky fo, an-danivoa, ka tsy ho lo.Fa ny vady tsy fiady, fa ho tadyIkambanana ho namanaTsy fambotry na fanosyFa ho iray, mandrakizaySy fitia, doria doria.Inona ary moa ny vady ô ry lahy ?Fo sy aina, sombinaina sy fanahyNy vady tiana, fifalianaAkaiky fo, an-danivoa, ka tsy ho lo.